Matthew 17

1Enin’andro taty aoriana Jesosy dia naka an’i Petera, Jakoba, sy Jaona rahalahiny niaraka taminy, ary nitondra azy ireo niakatra ny tendrombohitra avo tamin’ny tenan’izy ireo. 2Niova endrika teo anoloan’izy ireo Izy. Namiratra toy ny masoandro ny tavany, ary ireo fitafiany lasa namiratra toy ny hazavana.

3Indro, niseho tamin’izy ireo Mosesy sy Elia niresaka taminy. 4Namaly Petera ary nanao tamin’i Jesosy hoe: “Tompo, tsara amintsika ny eto. Raha sitrakao, dia hanao fialofana telo ho antsika eto aho - iray ho anao, iray ho an’i Mosesy, ary iray ho an’i Elia.”

5Raha mbola niteny Izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo, ary indro, nisy feo nivoaka avy tao amin’ny rahona, nanao hoe: “Ity ny Zanako malalako, izay sitrako tokoa. Henoy Izy.” 6Rehefa ren’ireo mpianatra izany, dia lavo izy ireo ary natahotra mafy. 7Avy eo tamy Jesosy ary nikasika azy ireo ka niteny hoe: “Mitsangàna ary aza matahotra.” 8Avy eo dia nijery ambony izy ireo fa tsy nahita na iza na iza afa-tsy Jesosy irery ihany.

9Raha nidina ny tendrombohitra izy ireo, dia nandidy azy ireo Jesosy, nanao hoe: “Aza mitatitra izao fahitana izao na amin’iza na iza mandra-pitsangan’ny Zanak’Olona amin’ny maty.” 10Nanontany Azy ireo mpianany, nanao hoe: “Nahoana ary ireo mpanora-dalàna no milaza fa Elia dia tsy maintsy ho avy aloha?”

11Jesosy namaly ary niteny hoe: “Elia dia ho avy tokoa ary hamerina amin’ny laoniny ny zavatra rehetra. 12Nefa lazaiko aminareo, fa efa tonga Elia, fa izy ireo tsy nahafantatra azy. Mifanohitra amin’izany, nanao ny zavatra rehetra izay tiany natao taminy izy ireo. Ary toy izany ihany koa, ny Zanak’Olona ihany koa dia hijaly eo an-tanan’izy ireo. 13Avy eo dia azon’ireo mpianatra fa niteny tamin’izy ireo ny momba an’i Jaona mpanao Batisa Izy.

14Rehefa tonga teo amin’ny vahoaka izy ireo, dia nisy lehilahy iray nanatona Azy, nandohalika teo anoloany, ary niteny hoe, 15“Tompo, manàna famindram- po amin’ny zanako lahy, fa voan’ny androbe izy ary mijaly mafy. Fa mianjera matetika any anaty afo na rano izy. 16Nitondra azy teo amin’ireo mpianatrao aho, fa tsy afaka nanasitrana azy izy ireo.”

17Namaly Jesosy ary niteny hoe: “Ry taranaka tsy mpino sy simba toetra, mandra-pahoviana no tokony hitoerako miaraka aminareo? Mandra-pahoviana no tsy maintsy izakako miaraka aminareo? Ento eto amiko izy.” 18Niteny mafy ny demonia Jesosy, ka nivoaka taminy izany ary dia sitrana tamin’izany ora izany ilay zazalahy.

19Dia nanatona an’i Jesosy mangingina ireo mpianatra ary nanao hoe: “Maninona no tsy nahavita namoaka an’iny izahay?” 20Jesosy niteny azy ireo hoe: “Noho ny finoana kelinareo. Fa lazaiko marina aminareo, raha manana finoana na dia kely toy ny voatsinampy aza ianareo, dia afaka miteny amin’ity tendrombohitra ity ianareo hoe: ‘Mifindrà avy eto ho etsy,’ dia hifindra izany ary tsy hisy na inona na inona tsy ho hainareo atao. 21[Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha tsara indrindra dia tsy ahitana ny hoe v. 21. “Fa ity karazana demonia ity dia tsy mivoaka raha tsy miaraka amin’ny vavaka sy fifadian-kanina.”]

22Raha nitoetra tany Galilia izy ireo, dia hoy Jesosy tamin’ireo mpianany hoe: ‘’Ny Zanak’Olona dia hatolotra eo an-tanan’ny olona, 23ary izy ireo hamono Azy, ary ny andro fahatelo dia hatsangana Izy.” Lasa nalahelo tanteraka ireo mpianatra.

24Rehefa tonga tany Kaperinaomy izy ireo, dia nankeo aminí Petera ireo lehilahy izay nanangona ny hetra atsasaky ny sekely ary niteny hoe: “Tsy mandoa ny hetra atsasaky ny sekely ve ny mpampianatrareo?” 25Hoy izy hoe: “Eny.” Fa rehefa niditra tao an-trano Petera, dia Jesosy aloha no niresaka taminy ka nanao hoe: “Inona no eritreritrao, ry Simona? Ireo mpanjaka eto an-tany, avy amin’iza no andraisan’izy ireo hetra na hetran’olona? Avy amin’ireo vahoakany va sa avy amin’ireo vahiny?”

26Rehefa niteny Petera hoe: “Avy amin’ireo vahiny,” Dia hoy Jesosy taminy hoe: “Dia afaka amin’ny fandoavana izany ireo vahoaka. Fa mba tsy hampanotantsika ny mpamory hetra, dia mandehana any amin’ny ranomasina, manipàza fitana ao, ary alaivo ny trondro izay miakatra voalohany. Rehefa voasokatrao ny vavany, dia hahita sekely ianao. Alaivo izany ary omeo ireo mpamory hetra ho Ahy sy ho anao.‘’

27

Copyright information for PltULB